Sorona Masina ny Alakamisy 02 janoary 2020

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

2 JANOARY


Mialoha ny Nisehoan’ny Tompo


Tononkira fidirana


Andro masina no mibaliaka ho antsika; haingàna, ry firenena hitsaoka ny Tompo, fa fahazavana lehibe no nidina etý an-tany.


Fangatahana

Tompo ô, mba omeo finoana mafy tsy azo hozongozonina izahay vahoakanao; mino sy mankatò izahay fa ny Zanakao Lahitokana miray voninahitra aminao mandrakizay dia tena tonga nofo marina, naterak’i Maria Virjiny, koa enga anie izahay ho afaka amin’ny hasomparana etý an-tany sy hifikitra amin’ny hasambarana maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 2, 22-28


Aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany.

Ry kristianina havana, iza no mandainga raha tsy izay mandà fa i Jesoa no i Kristy? ary ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. Izay rehetra mandà ny Zanaka, dia tsy manana ny Ray koa; fa izay manaiky ny Zanaka ihany no manana ny Ray. Koa aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany. Fa raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany, dia mitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo. Ary ny zavatra nampanantenainy antsika dia ny fiainana mandrakizay. Nanoratra izany ho anareo aho, ny amin’ireo manangoly anareo. Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo. Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rahefa miseho Izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin’ny andro hahatongavany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4


Fiv.: Zahao, ry vazan-tany izato vonjin’Andriamanitra.

Ihirao antsa vao ny Tompo fa mahagaga ny zava-bitany, fa ny tanany no namonjy, nanampy azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena ny famonjeny amam-pahamarinany. Mba tsarovy, ry Israely, ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany, izao vonjin’Andriamanitra. O ry tany, derao ny Tompo, ka mientàna amin-karavoana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 19-28


Eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo.

Izao no nambaran’i Joany Batista raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: “Iza moa ianao?” Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe: “Tsy i Kristy aho.” Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: “Iza àry? i Elia va ianao?” Fa hoy izy. “Tsy izy aho.” Dia hoy ireo: “Ilay mpaminany va ianao?” Fa hoy ny navaliny; “Tsia.” Ka hoy izy ireo taminy. “Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao?” Dia hoy izy. “Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe: Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.” Ary Farisianina ireo iraka ireo. Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe: “Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy? na i Elia, na ilay Mpaminany?” Ka novalian’i Joany hoe: “Izaho manao batemy amin’ny rano; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehinkapany aza aho.” Tany Betania an-dafin’i Jordany izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ireto fanatitra ifandraisanay aminao be voninahitra; koa enga anie ny fanomezanao atolotray Anao hahamendrika anay handray ny Tenanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo


Kômonio

Jo. 1, 14

Nibanjina ny voninahitr’ilay Teny tonga nofo izahay, dia voninahitra sahaza ny Zanaka Lahitokana avy amin’ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny hasin’izao Kômonio izao hankahery ny fiainanay mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0689