Sorona Masina ny Zoma 20 desambra 2019

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:


20 DESAMBRA


Tononkira fidirana

Iz. 11, 1 ; 40, 5 ; Lk. 3, 6


Hisy solofo hipoitra avy amin’i Jese, ka hameno ny tany tontolo ny voninahitry ny Tompo, ary hahita ny famonjen’Andriamanitra ny olombelona rehetra.


Fangatahana

Andriamanitra ô, noraisin’i Maria Virjiny ho tonga nofo tao aminy ny Teninao tsy manam-paharoa, araka ny nambaran’ny Anjely, ka tonga tempolinao Andriamanitra izy ary feno ny hazavan’ny Fanahy Masina; koa enga anie hanahaka azy izahay hanetry tena sy hiraiki-po amin’izay sitrakao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 7, 10-14


Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe: “Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny fara lavaky ny Seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.” Fa hoy i Akaza: “Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho.” Ka hoy i Izaia: “Mihainoa, ry taranak’i Davida; mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo? Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro hanana anaka ny Virjiny, ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela”, izany hoe amintsika Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6


Fiv.: Hiditra ny Tompo, Ilay Mpanjakan’ny voninahitra.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa, dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin’ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano, ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, aieloia.

Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 26-38


Indro hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy.

Tamin’izany andro izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin’ny Virjiny anankiray fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana: ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao.” Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Fa hoy ny Anjely taminy: “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao, ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.” Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: “Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Fa hoy ny Anjely namaly azy: “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.” Dia hoy i Maria: “Intý aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.” Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba topazo maso izao Sorona sarobidy izao; ka enga anie izahay manolotra azy hino izay nampanantenainao ary hahazo izay efa nandrasanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II


Kômonio

Lk. 1, 31

Hitoe-jaza ianao, ka hitera-dahy, hoy ny Anjely tamin’i Maria, ary Jesoa no hataonao anarany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo hery tamin’ny Kômonio izahay ka arovy sy ampio: ary enga anie izahay mankafy ny fanomezanao hiriaria miadam-pinaritra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0385