Sorona Masina ny Alahady 08 desambra 2019

ALAHADY FAHAROA — Taona A

fiavian’ny Tompo

MIBEBAHA FA AKAIKY NY MESIA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 30, 19. 30


Indro tamy hanavotra ny firenen-drehetra ny Tompo, ry vahoakan’i Siôna; hampanakoako ny feony be voninahitra Izy, ary ho dibo-kafaliana ny fonareo.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, enga anie izahay midodododo mitsena ny Zanakao, mba tsy ho voasakan’ny asa aman-draharaha eto an-tany, fa hotarihin’ny fahendrena avy any an-danitra ka hiray lova amin’i Kristy mandrakizay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 11, 1-10


Hotsarainy ara-drariny ny madinika.

Amin’izany andro izany, hisy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese, ary hisy solofo haniry avy amin’ny vahany. Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo, dia ny Fanahy fahendrena amam-pahazavan-tsaina, Fanahy fifidianana amam-paherezana, Fanahy fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo. Ny fahatahorana ny Tompo no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy, na hanapaka araka izay ren’ny sofiny. Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony. Fahamarinana no hisikinany, ary fatra-po mahatoky no ho fehikibony.

Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy. Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray, ny zanak’ireo, hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby. Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tanany ao andavaky ny baziliky. Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana ny Tompo, toy ny fanambanin’ny ranomasina feno ny rano manarona azy. Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena ary ho be voninahitra ny fonenany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 71, 2. 7. 8. 12-13. 17.


Fiv.: Ny rariny hamony amin’ny androny, ary ny fiadanana hitombo raha mbola eo ny volana.

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka, omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny, ny malahelonao araka ny hitsiny.
Ny rariny hamony amin’ny androny, ny fiadanana hiroborobo mandavan-taona. Ny fifehezany, dia hatramin’ny Ranomasina ka tonga amin’ny Ranomasina; manomboka amin’ilay Ony ka mipàka amin’ny faran’ny tany.
Izy hanafaka ny ory mitoloko sy ny madinika tsy manan-kanampy; ny osa, ny mahantra hotsimbininy, ny ain’ny malahelo hovonjeny.
Ny anarany haharitra toy ny masoandro, ho voatso-drano mandrakizay.
Izy ho fitahiana ny fokon’ny tany tontolo, hataon’ny firenena rehetra hoe «Sambatra!»


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm, 15, 4-9


I Kristy no hahatonga ny olombelona rehetra ho voavonjy.

Ry kristianina havana, izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina. Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.

Koa mifandraisa ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo, mba ho voninahitr’Andriamanitra. Fa i Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin’ny razan’izy ireo; ary ny Jentily kosa dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentily sy hankalazako ny Anaranao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 3, 1-12


Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, dia niseho i Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe: “Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra”. Izy no ilay voalazan’i Izaia mpaminany hoe: Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: “Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany”.

Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io; fehikibo hoditra no tamin’ny andilany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany. Ary nankany aminy daholo i Jerosalema sy i Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany; ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin’ny onin’i Jordany. Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: “Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara; ary aza manao anakam-po hoe: “Manana an’i Abrahama ho rainay izahay”; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. Efa eo am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.

Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahana; fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; Izy no hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny antanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloany, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, manana andraikitra isika hanorina sy hampiroborobo ny Fanjakan’Andriamanitra ankehitriny; koa akambano ny vavaka ataontsika hanomezan’Andriamanitra antsika herim-po sy fahombiazana, hampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana.

Valy: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.

* Adidin’ny Eglizy ny manomana ny olombelona amin’ny tany rehetra, mandritra ny taona mifandimby, handray an’i Kristy; koa mivavaha mba ho tontosany an-tsakany sy an-davany ny asa nanirahan’Andriamanitra azy.
* Mafy ny tenin’i Masindahy Joany Batista amin’ny mpiandraikitra tsirairay; koa mangataha ho an’ny mpitondra ara-nofo isan-tokony, mba ho sady fitaratra amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana izy no tsy hanampatra fahefana.
* Toa tsy manana eritreritra hivalo sy hibebaka ny ankamaroan’ny olona ankehitriny; koa mangataha hohazavain’Andriamanitra izy, hahatsiarovany tena fa mpanota ary olombelona ka mety ho lavo.
* Mangataha amin’Andriamanitra mba hatorony antsika ny tena fibebahana marina ilaintsika tsirairay, ary hahay hivalo sy hiova toetra isika hiomana tsara amin’ny Noely.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, ampahafantarin’i Masindahy Joany Batista anay, fa “efa eo ampototry ny hazo ny famaky”, koa miangavy ny fitiavanao izahay; enga anie izahay mba hanaiky horantsananao, ka ny fahotanay hoesorinao ary ny tsy mety mba hareninao, dia ho sampana mahavokatra fitiavana sy fahamarinana izahay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hamoram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo I


Kômonio

Bar. 5, 5; 4, 36

Mitsangàna ry Jerosalema, ka miakara amin’ny avo, ary tazano fa iry tamy manatona anao ilay hafaliana avy amin’ny Tompo Andriamanitrao.


Vavaka aorian’ny Komonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao; enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany ,mba hampianarinao hahay handanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                    

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081