Sorona Masina ny Alahady 24 novambra 2019

ALAHADY FAHA-34 mandavantaona — D

Fankalazana manetriketrika an’i

I JESOA KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO

I KRISTY MPANJAKA HAMPIRAY SY HAMPANDRY FAHALEMANA NY FIRENENA REHETRA

Tononkira fidirana

Apôk. 5, 12; 1, 6.

Mendrika homena ny fahefana sy ny hasina fanome an’Andriamanitra ilay Zanak’ondry novonoina; Azy ny fahendrena sy ny hery omban-kaja. Ho Azy mandrakizay antaranoana anie ny voninahitra sy ny fanjakana.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao ny hivondronan’ny zavatra rehetra ao amin’ny Zanakao malalanao Mpanjakan’izao tontolo izao; koa mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie ny voaary rehetra afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana tsy hitsahatra ny hanompo Anao sy hankalaza Anao Avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 5, 1-3

Nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tao amin’i Davida tany Hebrôna ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe: “Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay. Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe: ‘Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andrian’i Israely’”, Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’ny Tompo, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 121, 1-2. 3. 4-5


Fiv: Faly aho nilazana hoe: andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Faly aho nilazan’ireo vahoaka hoe: «Ndao ho any an-Tranon’ny Tompo!» Indro ny tongotray, ry Jerosalema, mijadona eto am-bavahadinao.
I Jerosalema tanàna tsara rafitra, mirindra tsy manan-tsahala, natao mba hiakaran’ireo foko, dia ny fokon’i Israely.
Fa didy ho an’i Israely ny mankao mba hidera ny Anaran’ny Tompo. Ao no toerana ijoroan’ny fahefana, iorenan’ny fianakavian’i Davida.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 12-20


Namindra antsika ho amin’ny Fanjakan’ny Zanany malalany Izy.

Ry kristianina havana, isaoranay ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olomasina any amin’ny mazava, tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho amin’ny Fanjakan’ny Zanany malalany, dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika. Izy no Endrik’Ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao: tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy; satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra; ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny ety an-tany, na ny any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 23, 35-43

Tompo ô, tsarovy aho, rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.

Tamin’izany andro izany, nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa, dia nijanona nijery teo ny vahoaka, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe: “Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”. Ny miaramila koa naneso Azy, ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe: “Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao”. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: “Ity no Mpanjakan’ny Jody”. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe: “Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe: “Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika; fa ny Azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”. Dia hoy izy tamin’i Jesoa: “Tompoko, tsarovy aho, rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao fankalazana an’i Kristy Mpanjaka Tompon’ny tany aman-danitra amin’ny fahefany sy ny fitiavany, amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany izao, dia akambano ny vavaka ataontsika: hangatahana amin’Andriamanitra, mba hidodododo hankeo aminy izao tontolo izao, hanovo ny tena fiainana ao aminy.

Valy: Manjakà, ry Jesoa; manjakà, ry Kristy, aminay rehetra.

* Manana adidy hampiroborobo ny Fanjakan’i Kristy ety an-tany ny Eglizy; koa mangataha amin’Andriamanitra mba tsy hitarain-tanana ompaka izy, ary hoentanim-pitiavana lalandava eo amin’ny asa fampihavanana sy famonjena an’izao tontolo izao.
* Ny mpanjaka sy ny mpitondra ara-nofo eto an-tany, dia maniry hahomby amin’ny harena sy hahery amin’ny fahefana; koa mangataha amin’i Kristy mba hampiany izy hampanjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana, ary hanaja ny zo aman-kasina maha-olona.
* Mivavaha ho an’ireo mamoritra vahoaka sy mampijaly namana, mba hatoron’Andriamanitra izy ho be fitiavana sy fanajana ary halemem-panahy.
* Fanjakan’ny fitiavana ny Fanjakan’i Kristy; koa mivavaha ho an’izay mankahala na tsy tia antsika, ary mangataha hampian’Andriamanitra isika ho tsara fo amin’ny olona rehetra, na dia ny fahavalontsika aza.
* Fanjakan’ny fitiavana, sy ny fahamarinana ny Fanjakan’i Kristy; koa mivavaha ho antsika olombelona ankehitriny mifanenjika sy mifamono, sy mifanao ny tsy rariny, ary mangataha mba ho araka ny sitrapon’Andriamanitra ny fikaroham-piadanana sy fandriam-pahalemana eto an-tany.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, tsy mitovy amin’ny fanjakan’ny olombelona ny Fanjakanao, fa fitiavana tsy manery ny fo no tianao hanjakana; koa aza avela hizahozaho na hanjakazaka izahay, mba ho tena mpanorina Fanjakana ho Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mangataka an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, mba raiso izao Sorona fampihavanana ny taranak’olombelona izao, ka enga anie, ny Tenan’ny Zanakao no hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Prefasy: Jesoa Kristy Mpanjaka


Kômonio

Sal. 28, 10-11

Hipetraka hanjaka mandrakizay ny Tompo. Hitsimbina sy hampiadana ny vahoakany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, mihanta aminao izahay fa nahazo sakafo mahavelona mandrakizay sady tretrika mankatò ny didin’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao; koa enga anie ho mendrika hiara-belona aminy mandrakizay any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079