Sorona Masina ny Zoma 22 novambra 2019

Herinandro faha-33 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14


Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.


Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apok. 10, 8-11


Noraisiko ny boky dia nateliko.

Izaho Joany dia nandre feo avy any an-danitra nanao hoe: “Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tanan’ilay anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.” Dia nankany amin’ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: “Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.” Noraisiko ny boky teny an-tanan’itý anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko. Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe: “Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131


Fiv.: Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako, mihoatra noho ny harena rehetra. Ny fanambarànao no firavoako; ny fitsipikao no filàko saina.
Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny vavanao, mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo! Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao, ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely!
Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay Mandrakizay: Izy no fifalifalian’ny foko! Misokatra ny vavako; miemponempona aho; ny baikonao no mahaliana ahy!


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Makabeo

1 Makab. 4, 36-37. 52-59


Nitokanana ny ôtely, ary an-kafaliana no nanaterana ny sorona dorana.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jodasa sy ireo rahalahiny: “Efa resy itý ny fahavalontsika, ka ndeha amin’izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.” Dia nivory ny tafika manontolo, ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna. Dia nifoha maraina koa izy, tamin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny volana fahasivy, izay volana atao hoe Kasleo, tamin’ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, ka nanatitra sorona, araka ny lalàna teo ambonin’ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.

Tamin’ny volana sy ny andro nandotoan’ny firenena ny ôtely indrindra no nanamasinana azy indray, tamin’ny hiran’ny salamo, sy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga sy kipantsona. Indray nihohoka ny vahoaka dia nitsaoka sy niandrandra ny lanitra, nisaotra an’Ilay nanambina azy. Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny ôtely, ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana sy ny sorom-pisaorana amam-piderana. Noravahany fehiloha aman’ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly, namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efi-trano sady nasiany varavarana. Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny vahoaka ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena. Ary i Jodasa nifanara-kevitra tamin’ireo rahalahiny mbamin’ny fiangonan’i Israely rehetra, dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny ôtely, amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona miantomboka amin’ny fahadimy amby roapolon’ny volana Kasleo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: 1 Tant. 29, 10-11a. 11bde. 12


Fiv.: Midera ny Anaranao be voninahitra izahay, ry Tompo.

Isaorana ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay: hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay! Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery, sy hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra: na ny any an-danitra na ny eto an-tany! Anao, ry Tompo, ny fanjakana, sy ny fisandratana ho lohan’ny zava-drehetra!
Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao! Ianao no mifehy ny zava-drehetra! An-tananao ny hery sy ny tanjaka! Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 19, 45-48


Ataonareo zohin’ny mpangalatra ny tranon’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: “Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.” Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.


na hoe:

Mk. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096