Sorona Masina ny Alakamisy 21 novambra 2019

Herinandro faha-33 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14


Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.


Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apok. 5, 1-10


Voavono ny Zanak’ondry ka ny Rany no nanavotany antsika.

Izaho Joany dia nahita teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito. Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin’ny feo mafy hoe: “Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?” Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tetý an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra sy nahajery azy akory. Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy. Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko: “Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin’ny fokon’i Jodà ny solofon’i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.” Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra. Dia tonga Izy ka nandray ny boky teny an-tanan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana. Nony nandray ny boky Izy, dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan’ny olo-masina izany. Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: “Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra. Nataonao fanjakana mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etý ambonin’ny tany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b


Fiv.: Nataonao fanjakan’Andriamanitray sy mpisorona izahay.

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-Piangonan’ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy; ny zanak i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany; ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba ho fankalazana an’Andriamanitra: izany no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky voalohan’i Makabeo

1 Makab. 2, 15-29


Hanaraka ny faneken’ny razanay izahay.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tao Môdìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manam-boninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika. Israelita maro be no nomba azy ireo; ary i Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa. Niteny tamin’i Matatiasa ireo irak’i Antiôkosa, ka hoy izy taminy: “Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy. Koa ianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka toraky ny efa nataon’ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin’i Jodà, mbamin’ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan’ny sakaizan’ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro ianao mbamin’ireo zanakao.”

Ary i Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe: “Na dia hanaiky an’i Antiôkosa avokoa aza ny firenena rehetra anatin’ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan’ny razany, sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny, izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken’ny razanay. Sanatria anay ny hanary ny lalàn’Andriamanitra amam-pitsipiny! Tsy hanaiky ny didin’ny mpanjaka izahay, ka hiala amin’ny fombam-pivavahana, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.” Vao tapitra izay teniny izay, dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason’ny olona rehetra teo hanao sorona, araka ny didin’ny mpanjaka, teo amin’ny ôtely natsangana tao Môdìna. Nony nahita izany i Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony; navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany, ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin’ny ôtely izy. Novonoiny niaraka tamin’izay koa ilay manamboninahitry ny mpanjaka, nanery hanao sorona, sady nazerany ny ôtely.

Toy izany no nirehetan’ny zotom-pony hiaro ny lalàna, toy ny nataon’i Finea izay namono an’i Zambrì, zanak’i Salôma. Dia nandeha eran’ny tanàna i Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe: “Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena, samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.” Izay izy mbamin’ireo zanany, dia nandositra nankany an-tendrombohitra; nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna. Nisy Jody maro be koa, izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna ka nidina tamin’izay ho any an’efitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15


Fiv.: Izay mahitsy famindra hohetsahin’Andriamanitra amin’ny vonjiny.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany. Indro Andriamanitra mamiratra ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona. Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra. Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara.
Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra; ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra. Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 19, 41-44


Raha mba nahalala izay hampiadana anao manko ianao.

Tamin’izany andro izany, nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: “Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.


na hoe:

Mk. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724