Sorona Masina ny Talata 12 novambra 2019

Herinandro faha-32 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 87, 3


Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Tito

Tit. 2, 1-8. 11-14


Aoka ianareo ho velona amin’itý fiainana itý hanana ny toetr’olona tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny fahatongavan’i Kristy Mpamonjy antsika.

Ry malala, ianao kosa, milazà izay mety araka ny fampianarana marina; amin’ny lehilahy lehibe: mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana; amin’ny vehivavy lehibe kosa: mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany, hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra. Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry, ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.

Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, fa ho velona amin’itý fiainana itý manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 36, 3-4. 18 sy 23. 27 sy 29


Fiv.: Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara; monena amin’ny tany; miraota amin-toky. Eny, ny Tompo, no iravoy: dia homeny anao izay hirìn’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo; ny lovan’ireny ho mandrakizay. Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona: izay amin’ny lalana tiany, no ankahereziny.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara, raha tahiny te-haharitra mandrakizay. Ny olo-marina handova ny tany, ary honina eo mandrakizay.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fahendrena

Fahendrena 2, 23 — 3, 9


Hoatra ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, kanjo ao anatin’ny fiadanana.

Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany; fa ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao, dia hanandrana izany ry zareo izay azy. Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana. Hoatra ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, ary hoatra ny loza ny fialany amin’izao fiainana izao, ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin’ny fiadanana izy. Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty. Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana, dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika Azy. Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy, ka nankasitrahany, toy ny sorona dorana lavorary. Amin’ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka. Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo. Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 33, 2-3. 16-17. 18-19


Fiv.: Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko; mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina; ny sofiny amin’ny tolokon’ireo. Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo: ny ahiahiny rehetra esoriny aminy. Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 7-10


Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: “Iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: ‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’ Moa tsy izao aza no holazainy aminy: ‘Amboary ny sakafoko, ary misikina hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’ Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra.


na hoe :

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0665