Sorona Masina ny Alatsinainy 11 novambra 2019

Herinandro faha-32 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 87, 3

 

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo!

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Fanombohan’ny Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Tito

Tit. 1, 1-9

 

Alamino araka ny nandidiako anao ny Pretra.

I Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy momba ny finoan’ny olom-pinidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy, noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra; fa tamin’ny fotoana voatendry no nampiharihariany ny teniny tamin’ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika: dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika; ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao: dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra. Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mikapoka, tsy mpila vola; fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena, mitana mafy ny teny marina nampianarina azy mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

 

Fiv.: Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin’ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano; ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fanombohan’ny Boky Fahendrena

Fahendrena 1, 1-7

 

Malala-tanana ny fanahin’ny fahendrena; manerana izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo.

Tiavonareo ny fahamarinana, ianareo izay mpitsara eto an-tany; aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo, ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy; fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy, ary miseho amin’izay matoky Azy. Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin’Andriamanitra, ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy miampanga ny adala. Ny fahendrena tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy, ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana. Ny Fanahy Masina, mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy, manalavitra ny hevitra tsy misy saina, ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka. Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena, ka tsy avelany ho afa-potsiny ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony. Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany. Mpamantatra marina ny fony, ary mandre ny teniny. Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo, ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ka reny daholo izay lazain’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10

 

Fiv.: Tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.

Tompo ô! mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro! Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako, dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo! Voambombanao aho na aloha na aoriana; ny tananao mipetraka eo amboniko! Fahalalana mahagaga loatra amiko; avo loatra, tsy hamboiko takarina.
Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao? Aiza no handosirako tsy ho anoloanao? Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao; mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho, mba honina any am-paran’ny ranomasina, mbola ny tananao no mitondra ahy any, eny: ny tananao no mitantana!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 1-6

 

Na diso aminao impito indray andro aza izy ka nanao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an’izay iaviany! Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza. Koa mitandrema ianareo. Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‘Mifona aho’, dia mamelà azy.” Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo: “Ampitomboy ny finoanay.” Fa hoy ny Tompo: “Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’, dia hanaiky anareo izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra.

 

na hoe :

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0683