Sorona Masina ny Alahady 10 novambra 2019

ALAHADY FAHA-32 mandavantaona — D

HITSANGAN-KO VELONA NY MATY

Tononkira fidirana

Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rehefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky faharoan’i Makabeo

2 Mak. 7, 1-2. 9-14

Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao hanangana anay ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Tamin’izany andro izany, nisy olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa noraran’ny lalàna, izy ireo; ka nokapohina natao hoto tamin’ny kotopia aman-kozatr’omby. Niteny tamin’ny anaran’izy rehetra ny iray taminy nanao hoe: “Inona no tadiavinareo ary inona no tianareo ho fantatra avy aminay. Vonon-ko faty izahay toy izay hamadika ny lalàn’ny razanay”. Dia hoy ny faharoa nony efa ho tapitra ny ainy: “Ianao tsy misoro-doza izao, manala anay amin’ny fiainana ankehitriny; fa ilay Mpanjakan’izao tontolo izao kosa, hanangana anay ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa maty noho ny tsy fivadihana amin’ny lalàny izahay”.

Nanarakaraka io, nampijaliana indray ny fahatelo. Vao nasain’ny mpamono nataony, dia natrangany niaraka tamin’izay ny lelany, nahinjiny tsy aman-tahotra ny tanany, ary nolazainy taminkerim-po maha-te-hidera izao: “Ny Lanitra no nahazoako ireto rantsam-batako ireto; noho ny lalàny anefa tsy ataoko ho zavatra ireto: ary avy aminy no antenaiko hahazoana an’ireto indray, indray andro any”.

Na ny tenan’ny mpanjaka, na ireo nanotrona azy, dia samy gaga avokoa tamin’ny herim-pon’io tovolahy io, fa tsy nahoany akory izay fijaliana. Maty io, dia fijaliana torak’ireo ihany koa no nahatra tamin’ny fahefatra. Hoy izy, nony efa hiala aina: “Sambatra izay matin’ny tanan’olombelona manam-panantenana avy amin’Andriamanitra, fa hatsangany ho velona! Fa raha ianao kosa, dia tsy mba ho amin’ny fiainana ny fitsangananao ho velona”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 16, 1. 5-6. 8b sy 15


Fiv.: Ho voky aho, Tompo, rehefa mibaliaka ny voninahitrao.

Henoy, ry Tompo, ny tarainako; mampandria sofina amin’ny antsoko; eny, mba henoy ny fivàvako, fa tsy mba misy fitaka ny molotro.
Izaho manaraka ny teninao, miraikitra amin’ny didinao, mizotra amin’ny soritrao, mitandrin-tena tsy hania.
Miantso aho, ry Andriamanitra ô: aoka Ianao mba hamaly, ny sofinao ampandrio mba hihaino izay lazaiko.
Afeno ambany elatrao tsy ho hitan’ny olon-dratsy: Izaho kosa hamarino hibanjina ny Endrikao, hivoky amin’ny Tavanao rehefa mifoha.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

2 Tes. 2, 16 — 3, 5


Hankahery anareo amin’ny asa tsara sy ny teny soa ny Tompo.

Ry kristianina havana, enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!

Farany, ry kristianina havana, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin’Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny aty aminareo; ary mba ho afaka amin’ny olon-dratsy sy mahasosotra izahay; fa tsy an’ny olona rehetra moa ny finoana. Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy. Matoky anareo ao amin’ny Tompo izahay, fa sady manao no mbola hanao ny zavatra nandidianay ianareo. Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dalana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faharetan’i Kristy!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 20, 27-38 (lava) 27. 34-38 (fohy)

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona.

Raha ny fohy no atao dia avela ny ao anatin’ny […]


Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan-ko velona [ka nanontany Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe ‘Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny’. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, fa maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany, dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan-ko velona fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?”]

Dia hoy i Jesoa taminy: “Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina, fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny Anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona. Ary raha ny hoe hitsangana ny maty dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba!’ Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, miara-miezaka isika mizotra mankany amin’ny fitsanganan-ko velona fanjakan’Andriamanitra; koa ndeha hiara-mivavaka hangataka izay irîn’ny olombelona rehetra miara-mizotra amintsika.

Valy: Tompo ô, Ianao no ianteheranay; Ianao, Ianao Tompo ô.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy eran’izao tontolo izao, mba ho hainy mampita amin’izay mitady azy, ny tena fahamarinana mampizotra any amin’ny tena fahasambarana, dia ilay fiainana maharitra mandrakizay.
* Mivavaha ho an’ireo manana andraikitra amin’ny fitondram-bahoaka, mba ho tsaroany eo am-pikarakarana ny soa ara-nofo, fa voaantso ho any amin’ny Tanàna mandrakizay koa ny olona rehetra, ary natao hiara-miasa amim-pahamarinana sy fifankatiavana mba hizorana any.
* Amin’izao fizaran-taona miova izao, dia mivavaha ho an’ireo mahantra sy farary: mba tsy hanampoka ny aty amin’ny tapany atsimo amin’ny tany, ny hafanana sy ny orana, ary tsy hanimba fahasalamana ny any amin’ny tapany avaratra ny hatsiaka sy ny zavona mamirifiry.
* Isan’alahady no tokony hanangonantsika ny herim-po ilaina amin’ny herinandro tontolo; koa mivavaha mba hampian’Andriamanitra isika hanatontosa ny adidintsika rehetra hitondra hasambarana hatraiza hatraiza eto an-tany, fa izany no anomanana ny any an-danitra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, velomy marina ao am-ponay ny fanantenana hitsangan-ko velona, ary ny masonay ataovy mifantoka amin’ny fahazavana mandrakizay, ny fanahinay ataovy vonona amin’ny andro hiantsoanao anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto, fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady II, ohatra.


Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra,


na hoe:

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao: enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay, fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011