Sorona Masina ny Asabotsy 09 novambra 2019

9 Nôvambra NY NITOKANANA NY BAZILIKA AO LATRAN


Fankalazana

Ny Bazilika ao Latran no Katedralin’ny Papa amin’ny maha-Evekan’i Rôma azy. Ary satria tsy azo sarahina ny maha-Papa sy ny maha-Filohan’ny Fiangonana manontolo azy dia azo Iazaina fa tena lohan’ny trano fiangonana rehetra eran-tany ny Bazilikan’i Latran.
Taloha, noho izany maha-Renifiangonana azy izany dia tao Latran no nisy ny fonenan’ny Papa, ary tao amin’io Bazilika io no natao ny fivoriam-be fiaretan-tory amin’ny Sabotsy Masina, ny Sorona Masin’ny Paka nanomezana ny Batemy sy ny Fankaherezana. Ankehitriny, dia ao ny Papa no manao lamesa ny Alakamisy Masina hariva ary manavao ny nataon’i Kristy nanasa ny tongotry ny Apôstôly.
Tiavo sy hajao ny fiangonantsika, fa tranon’Andriamanitra ary varavaran’ny lanitra ho antsika vahoakany.


Tononkira fidirana

Apôk. 21, 2.

Indro ny tanàna masina, ilay Jerosalema vaovao hitako nidina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra, mihaingo toy ny ampakarina voaomana ho an’ny vadiny.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ireo mpino, vato velona sy voafantina no andrafetana fonenana mandrakizay ho Anao; koa ampitomboy ao amin’ny Eglizinao ny herin’ny fahasoavana nomenao mba hampirafitra ny vahoaka mino Anao hatrany hijoro ho ilay Jerosalema fonenana any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.


Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Boky voalohan’ny Mpanjaka

I Mpanj. 8, 22-23. 27-30.


Ataovy mihiratra amin’itý trano itý ny masonao.

Tamin’izany andro izany, teo anoloan’ny Tompo i Salômôna, nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe: “Ry Tompo Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na amin’ny lanitra ambony, na amin’ny tany ambany, fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa. Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa itý trano nataoko itý! Kanefa, ry Tompo Andriamanitro ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao anio; ka ataovy mihiratra andro aman’alina amin’itý trano itý anie ny masonao, dia amin’ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny Anarako; ka henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao amin’itý fitoerana itý. Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha mivavaka amin’itý fitoerana itý izy; mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 94, 1-2. 3-5. 6-7.


Fiv.: Andeha hiseho anoloan’ny Tompo amin-tsaotra.

Avia mifalia ka hobio ny Tompo,
Ilay vatolampy sy vonjintsika.
Andeha mankeo anoloany hisaotra,
hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.

Fa Izy Andriamanitra sady Tompo,
Mpanjakan’ireo andriamani-kafa.
Ny atin’ny tany eo am-pelatanany,
ny tampon’ny voninahitra Azy koa.

Nataony ka Azy ny ranomasina,
ny tanety Azy koa fa asan-tanany!
Avia miondreha ary miankohofa
hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika.

Fa Izy no tena Andriamanitsika;
isika vahoaka sy ondry fiandriny.
Hihano Azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy.


Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 2, 4-9.


Mirafeta eo amboniny toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy.

Ry kristianina havana, manatòna ny Tompo, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa; ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: “Indro aho mametraka vato fehizoro ao Siôna, dia vato voafidy sy sarobidy, ary izay mino azy tsy hangaihay.”

Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia: “Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro, ary vato mahasolafaka sy mahatafintohina” ; fa tafintohina amin’ny Teny izy ireo satria tsy nanaiky, sady izany rahateo no nanendrena azy. Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.
Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay.
Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 4, 19-24


Hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana ny mpivavaka marina.

Tamin’izany andro izany, dia hoy ilay vehivavy Samaritanina tamin’i Jesoa: “Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao. Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ravehivavy, minoa Ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray. Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena. Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba raiso ny fanatitra atolotray ary ankatoavy ny vavaka ataonay mba ho azonay eto ny hasin’ny Sakramenta sy ny vokatry ny fangatahanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Fa tsara fo Ianao ka manaiky hipetraka amin’ny trano fivavahana naorinay handrotsaka ny fahasoavanao hanampy anay lalandava mba hahatonga anay ho tempolin’ny Fanahy masina velona amirapiratan’ny voninahitrao.

Fa ambaran’ireo fiangonana hita maso ny Eglizy voatokana ho an’i Kristy, ka arafitrao sy hamasininao tsy an-kijanona ho reny tretrika hotronin-taranaka alinalina mba hasandratrao hiray voninahitra aminao any an-danitra. Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra midera Anao tsy an-kijanona manao hoe:

Masina, Masina, Masina …


Kômonio

I Pier. 2, 5.

Mirafitra ao amin’i Kristy ianareo toy ny vato velona ho tempoly fanahy ary ho mpisorona masina.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, nataonao tandindona hisantaranay ilay Jerosalema any an-danitra ny Eglizinao etý an-tany, ary mandray Sakramenta izahay, koa mba ataovy tempolin’ny Fanahy Masina haiditrao any amin’ny fonenanao be voninahitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084