Sorona Masina ny Alakamisy 19 septambra 2019

Herinandro faha-24 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18


Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.


Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 15, 1-11


Izany àry no torìnay ary izany koa no ninoanareo.

Ry kristianina havana, ampahatsiahiviko anareo ny Evanjely notorìko taminareo, izay noraisinareo sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena, raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo. Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; dia nalevina Izy, sy nitsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo. Manaraka izany dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. Rahefa izany, dia niseho tamin’i Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstôly rehetra. Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana. Fa ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin’Andriamanitra aho; saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko. Koa izany ary no torìnay, na izaho na izy ireo, ary izany koa no ninoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 117, 1-2. 16-17. 28


Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Valio, ry Tranon’i Israely! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo! Naneho hery ny tanan’ny Tompo! Tsy maty aho fa velona mba hitanisa ny asan’ny Tompo!
Ianao no Andriamanitro ka isaorako! Ianao no Andriamanitro, ka asandratro!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 4, 12-16


Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao: hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao ianao.

Ry malala, aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao, amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana. Mandra-piaviko, milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona. Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 110, 7-8. 9. 10


Fiv.: Lehibe ny asan’ny Tompo.

He marina sady mahitsy ny Tompo. Ka ny lalany azo itokisana. Marim-pototra tsy mba mikoro ka maharitra mandrakizay.
Nandray famonjena ny olom-boafidy. Fanekem-baovao no iorenany, ka mijoro ho mandrakizay. Eny masina ny Anarany.
Ny tahotra santatry ny fahendrena, izay manoa ny Tompo ho velona. Ka ho feno ny fahalalana. Tsisy fetra ny lazan’ny Tompo.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 7, 36-50


Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy.

Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.

Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: “Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io.” Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: “Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao.” Dia hoy izy: “Lazao, ry Mpampianatra.” Ary hoy i Jesoa: “Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?” Dia hoy i Simôna namaly Azy: “Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.” Ary hoy Izy taminy: “Marina ny anao.”

Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe: “Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana.” Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: “Voavela ny helokao.” Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: “Iza moa itý no mamela na dia ny heloka aza?” Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: “Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.


na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0617