Sorona Masina ny Alarobia 18 septambra 2019

Herinandro faha-24 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18


Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.


Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 12, 31 — 13, 13


Ireto telo ireto no mitoetra, ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Ry kristianina havana, ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao. Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho. Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.

Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato. Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika; ka rahefa tonga ny feno dia foana ny tapany. Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony lehilahy aho, dia nialako ny fanahin-jaza. Ankehitriny dia mizaha amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho. Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra; ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 2-3. 4-5. 12 sy 22


Fiv.: Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony

Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo! Ihirao hiravao Izy; andredony horaka aman-java-maneno!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 3, 14-16


Lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana.

Ry malala, manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankatý aminao faingana aza, satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina. Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny anjely, notorìna tamin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Lehibe ny asan’ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be! Lehibe ny asan’ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana no vitan’ny Tompo maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay. Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy, fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 7, 31-35


Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.


na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0666