Sorona Masina ny Alakamisy 12 septambra 2019

Herinandro faha-23 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124


Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 8, 1b-7. 11-13


Raha manimba ny kônsiansin’ny rahalahinao mbola malemy ianao dia manota amin’i Kristy.

Ry kristianina havana, ny fahalalana mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso. Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy. Fa raha misy tia an’Andriamanitra kosa dia fantany io. Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja. Na dia maro aza no antsoina hoe Andriamanitra, na any an-danitra, na etý an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra sy Tompo maro), iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa. Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra, fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany, ka nony mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy, dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy. Ka very ny malemy noho ny fahalalanao, dia ny rahalahy nahafoizan’i Kristy ny Ainy. Ary raha manota amin’ny rahalahinao toa izany ianao, sy manimba ny kônsiansiny mbola malemy, dia manota amin’i Kristy. Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny rahalahiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 138, 1-3. 13-14. 23-24


Fiv.: Tariho ho amin’ny lalam-pahagola aho, Tompo.

Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra. Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra dia tsinjonao ny hevitro. Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ianao no nahary tongotra aman-tanana, sy Mpiaro hatrany an-kibon’Ineny. Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao! Eny, mampitolagaga ny asanao! Fantatrao hatrizay ny fanahiko; tsy niafina taminao ny tenako.
Diniho aho, ry Andriamanitra, fantaro ny foko! Zahao toetra aho! Fantaro eritreritra! Jereo sao misy lala-mamarina ato amiko, dia tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 3, 12-17


Mitafia ny fitiavana izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Ry kristianina havana, olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Ny manana aina rehetra, aoka hidera ny Tompo!

Derao Andriamanitra any an-toerany masina! Derao Izy any amin’ny habakabany mahery! Derao Izy noho ny fahefany tsy toha! Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!
Derao Izy amim-peon’anjomara! Derao Izy amim-baliha sy lokanga! Derao Izy amin’amponga sy dihy! Derao Izy amin-jejy sy sodina!
Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana! Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna! Ny manana aina rehetra aoka hidera ny Tompo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 27-38


Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.

Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa. Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa. Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa. Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany. Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!


na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.161