Vavaky ny Jobily

Ry Rainay any an-danitra รด,

Ny finoana izay nomenao anay ao amin'i Jesoa Kristy Zanakao sady Zokinay dia toa afom-pititiavana manenika ny fonay tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina, mba velomy ao anatinay ny fanantenana sy ny fahasambarana amin'ny fiavian'ny Fanjakanao.

Ny fahasoavanao anie hahatonga anay ho mpiasa mavitriky ny fitoriana ny Evanjely izay hampijoro, hanome aina ny Olombelona sy izao rehetra izao, hiandry amim-pitokiana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. Ka rehefa resy ny herin'ny ratsy rehetra dia hiseho mandrakizay ny Voninahitrao.

Koa ny fahasoavan'ny taon-jobily anie hamelona indray ao aminay, Mpivahinin' ny fanantenana, ny faniriana fatratra ny zavatry ny lanitra, ary hampanjaka eo amin'izao tontolo izao ny hafaliana sy ny fiadanan'ilay mpanavotra anay.

Ho anao Andriamanitra irery ihany anie ny dera sy ny Voninahitra mandrakizay. Amen !



Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1043