Hoy ny Papa 28/06/2014

Ny hoe naman'Andriamanitra dia ny mivavaka amim-pahatsorana, toa ny zaza izay miresaka amin'ny ray aman-dreniny.

Hevitra mandeha

RadoH ( 10/07/2014 20:05)
Salama daholo
Mahalaza tsara ny endriky ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra io tenin'ny Papa io.
Ny tantaram-pamonjena dia nanaporofo fa tsy niova tamin'ny maha Ray Mpahary antsika Azy Andriamanitra. Koa na eo aza ny zava-misy mampanalavitra antsika an'Andriamanitra, dia tsy mitsahatra miantso antsika hihaona Aminy amin'ny fivavahana Izy. Azo alalinina tsara izay voarakitra ao amin'ny Baiboly, fa niara-niasa tamin'ny karazan'olona maro Izy hampatsahivana antsika olombelona fa silaky ny ainy isika, ka tsy foiny hanalavitra Azy. Isan'ireny ny Patriarka, ny Mpaminany, ny Mpisorona, ny Mpitsara, ny Mpanjaka. Samy manana ny endriny ny iraka nampanaovina azy ireo fa raha dinihina akaiky, dia samy nihezaka nitazona antsika ho mendrika ny ho namana sady zanak'Andriamanitra izy ireo. Ny Ray aman-dreny sy ny mpanabe dia mahalala tsara ny hamamin'ny zanaka. Ny Malagasy aza dia manamafy fa "ny Ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka". Ary tena izany tokoa Andriamanitra, Ray tsy mahafoy antsika fa be fitiavana. Ny Zanany aza nafoiny hijaly mba hamonjena antsika. Ray sady namana tsy niova hatrany am-piandohana, koa inona no tokony ataontsika ?
"Ny toa azy (toa ny zaza) no hanana ny fanjakan'Andriamanitra" hoy i Jesoa (Marka 10, 14). Miankina sy mahatoky tanteraka ny ray aman-reniny ny zaza. Izy ireo no hianteherany na inona na inona ilainy. Ny ray aman-dreniny no namana voalohany hitodihany sy amim-pahantsorana. Raha mitovy amin'ny fifandraisan'ny zaza amin'ny ray aman-dreniny ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra, dia tafaray ny fitadiavan'Andriamanitra antsika mialoha sy ny fitadiavantsika an'Andriamanitra. Ho tena naman'Andriamanitra isika. Ohatra lavorary ho tahafintsika amin'io endrim-pifandraisana amin'Andriamanitra io i Jesoa, lalana sy fahamarinana ary fiainana (Joany 14,6)
Ady hevitra misokatra ity e !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0627