Voninahitra, voninahitra ho anao ry Andriamanitra o

Fiv:

Voninahitra, voninahitra ho anao ry Andriamanitra o
Fiadanana, fiadanana ho an'ny olona tsara sitra-po

 

1. Midera sy mankalaza anao 'zahay
Ry Tompo Andriamanitra o
Mitsaoka sy mihoby anao 'zahay
Misaotra anao izahay.

2.  Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra o,
Ry Tompo Andriamanitra o,
Manala ny fahotan'ny olona,
Afaho ny helokay.

3. Ianao irery no avo indrindra
Ry Tompo Andriamanitra o,
Ny haja sy ny voninahitra
Ho anao mandrakizay 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099