Voninahitra sy Dera anie ho an'Andriamanitra

Fiv :
Voninahitra sy dera anie ho an'Andriamanitra
Loharanom-pitiavana,
Fiadanana, hafaliana ho an'ny olombelona
'Zay tsara sitrapo e.

 

 

1 - Midera Anao 'zahay, mankalaza Anao ry Ray
'Ry Tompo Andriamanitra ô :
Mitsaoka Anao 'zahay sy mihoby ny hasinao
Misaotra Anao 'zahay e.

2 - Ry Jesoa Tomponay ô, ry Zanaky ny Ray
Ry Tompo Andriamanitra ô :
Mamindrà fo aminay, fa Ianao no Zokinay,
Afaho ny helokay e.

3 - Ianao no avo indrindra, ry Jesoa Tomponay,
Ianao re no Masina
Ankavanan'Izy Ray, miaraka amin'ny Fanahy
Ka omena fiderana.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104