Voninahitra ho anao e

Fiv : Voninahitra ho anao e
Ry Tompo Andriamanitray mahefa
Lolohavinay an-tampondohanay e
Zanaharinay mahery
Fiadanana anie ho an’ny olombelona
‘Zay namindrany fo
Fa nanehoany ny fitiavany
Voninahitra
Midera anao izahay
Mankalaza anao izahay
Mitsaoka anao, misaotra anao
Mihoby ny hasinao ‘zahay
Ry Tompo Andriamanitray mahery
Voninahitra

2. Ry Jesoa Kristy Tompo Manala ny fahotana
Zanaka lahitokan’ny Ray Mamindrà fo aminay
Zanak’ondrin’Andriamanitra, mipetraka eo an-kavanan’ny Ray
Raiso ny fifonanay
Fiv : Voninahitra e e ia Voninahitra e e ia

3. Anao zaraiky nomasiny e Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Anao zaraiky no Tompo Ao amin’ny voninahitra
Anao zaraiky no anabo indrindra Ao amin’ny voninahitra
Ry Jesoa Kristy Andriamanitra Ray AMEN
Voninahitra e ia, voninahitra e e ia
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104