Voninahitra ho an'Andriamanitra ... Zanahary mahery

VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA (4)

FIV: Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra
        Ary fiadanana ho an'ny olona ety ambonin'ny tany
        Zanaharinay e! mahery e
        Lolohavinay e! an-tampon'ny loha a a a a

1 - Midera Anao mankalaza Anao zahay e!
     Ry Tompo Andriamanitray e !
     Mitsaoka Anao eram-po, eran-tsaina e!
     Andriamanitra, mpanjakanay e!

2- Ry Zanak'Ondrin'Andriamanitra e!
     Ry Tompo Andriamanitray e!
     Manala ny fahotan'ny olo-jiaby e! 
     Afaho ny helokay e

3- Agnao zao raiky no anabo indrindra e!
    Ry Tompo Andriamanitray e!
    Haja ndreky voninahitra e!
    Ninao jiaby e! mandrakizay e

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105