Voninahitra anie ... tsy misy farany

Fiv :

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra,

Voninahitra anie tena tsy misy farany ;

Fiadanana anie mandrakizay

Ho an'ny olona tsara sitrapo.

 

1 - Midera Anao 'zahay, mankalaza Anao 'zahay,

Ianao 'zay nahary an'izao tontolo izao :

Mihoby Anao hatrany ny tany aman-danitra

Noho ny haben'ny voninahitrao.

 

2 - Ry Jesoa Tomponay, ry Zanaky ny Ray,

Manala ny fahotan'ny olona :

Mitsaoka Anao 'zahay, misaotra Anao 'zahay

Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra.

 

3 - Ianao irery ihany no tena Avo indrindra,

Ny haja anie ho Anao tokoa

Miaraka amin'ny Ray 'zay any an-danitra

Sy ny Fanahy Masina mandrakizay.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095