AMIANAY ANAO ZAGNAHARY…

Amianay Anao Zañahary
Ambony indrindra, ny voninahitra
Ary fiadanana e !e !e !
Ho an’ny olona namindrany fo

Midera anao izahay e
Mankalaza Anao izahay
Mitsaoka Anao izahay
Mihoby ny hasinao izahay
Noho ny haben’ny voninahitra
Ry Tompo Andriamanitra
Mpanjakan’ny lanitra
Voninahitra e Voninahitra e
Voninahitra ho an’Andriamanitra

2. Ry Jesoa Kristy Tompo
Zanak’Andriamanitra
Ry zanak’ondrin’Andriamanitra
Zanaky ny Ray
Manala ny fahotana jiaby
Mamindrà fo aminay
Raisinarô ny fifonanay
Anao zaraiky mpamindra fo
Voninahitra e Voninahitra e
Voninahitra ho an’Andriamanitra.

3. Anao araiky no Masina Voninahitra
Anao araiky no Tompo Voninahitra
Anao araiky no avo indrindra
Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Ao amin’ny voninahitra, Andriamanitra Ray
AMEN !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01