Mpitarika: O ia ie, E ia ie (2)
Vahoaka: Ny Tenin'ny tompo.
1- Ampionony
ny fon'ny vahoaka, (Vah: Ny Tenin'ny Tompo...)
lazao ao am-pony ry Jerosalema, ...
Fa tapitra ny
andron'ny fampahoriana, ...
ny ota nataony voavela avokoa, ...
Satria fikapohana
in-droa miatoana, ...
no efa nataon'ny Tompo azy ireo. ...
e ny teniny e, ...
2- Injay
misy feo manao antso avo :
"Amboary ny làlan-kizoran'ny Tompo :
Ny
sakelin-dàlan-drehetra ahitsio,
totofy avokoa ireo lohasaha,
Ireo
tendrombohitra mbamin'ny havoana,
ataovy mitovy torosy daholo.
e ny teniny e,
3- Hiseho
am'izay ny herin'ny Tompo,
dia 'lay voninahiny ambony tokoa,
Mba samy hahita
an'izany avokoa
ny olon-drehetra na iza na iza.
Ny Tompo mahery
no efa niteny.
Ilay Zanahary no efa nivolana !
e ny teniny e
4- Injay
misy feo manao hoe : Antsoy !
dia nisy ny teny namaly an'izany :
"Ahoana ny
antso 'zay mety hataoko ?
Ahitra ihany ny nofo rehetra."
Koa tahaka ny
vony mamelana an-tsaha
ny hatsaran-tarehiny kanto dia kanto.
e ny teniny e
5- Malazo
ny vony, maniry ny ahitra,
reh'fa seranin'ny Ain'Izy Tompo.
Dia ahitra ihany
ny olo-miaina ;
malazo ny vony, maniry ny ahitra.
Fa tsy mba izany
ny Tenin'ny Tompo
fa Teny maharitra mandrakizay.
e ny teniny e