Fiv : Sambatra loatra tokoa ianareo 'zay mitana ny didy e
Ka mahatsiaro ny tenin'ny Tompo
Izay no aro sy vonjinareo, ry mpanota mahantra e
Eny an-dala-mideza alehanareo.
1 - E ny fanahy, ry Tompo
'Zay mitoetra eo an-dalan'ny ota
Esory fa mampahonena
Te hisondrotra ho any Aminao.
2 - Avilio tsy hahita ny ratsy
'Tony nofo malemy sy osa
Velomy Aminao o ry Tompo
Tsy ho rombak'ireo fahavalo.
3 - Ampianaro ny fahalalana
Toroy izay mety hatao :
Handositra ireo fahotana
Fanetry ny ho zanakao.