Ry Tompo Andriamanitry ny Lanitra

Fiv : Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra o

Mba ho iray anie izy rehetra.

 

1 - Ny Tompo no manangona ny zanany rehetra

Izay nisara-bazana noho ny fahotana.

 

2 - Tadidinay tokoa anie ny hafatr'i Kristy :

Batemy iray ihany ary Tompo iray.

 

3 - Ianao no Ray iombonana ao amin'i Kristy,

Fa tsy tanterakay e ny finoana iray.

 

4 - Ilay vala tokana voalazan'i Kristy

Tianay ho lavorary hanambara Anao.

 

5 - Izay tsy vitanay anie ho vitan'i Kristy

Fanahy iray no arotsany hampiray anay.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0805