Raha sendra havizanana Rano Ra Fanahy

Raha sendra havizanana no tojo hafanana
Mirepirepy fanina fa main’ny hetaheta
Tsy lavitra kanefa jereo ny loharano, jereo
Miboika tsisy fetra mandonaka ny tany
Ry Jesoa Tomponay o, Ianao no Ranovelona
“Avia hoay Ianao, avia ka misotroa”
izay main’ny hetahetam-pahamarinana (Jn 7, 37)

Raha sendra hasasarana no tojo fisedrana
Manjepizepy fanina ka toy ny hoafak’aina
Tsy lavitra kanefa banjino fa miboika banjino
Tsy miato ‘zao ny Rako hamerina ny aina
Ry Jesoa Tomponay o, Ianao no Ra mpamelona
“Avia hoy Ianao, avia ka misotroa”
Ny Rako odifaty: onim-pahafahana. (Jn 6, 56; Mt 26, 27-28)

Raha sendra ny hamaizana no tojo fahosana
Mandraingiraingy marina gejain-drafahotana
Velomy ny finoana banjino fa tsy ritra, banjino
Fanahy Ranovelona mamelona ny Rako.
Ry Jesoa Tomponay o, ny Fanahy mpanamasina
No indro atolotrao ho Fahamarinanay
Fa Izy hoy Ianao, “Fanahim-pahafahana” (Ef 5, 18)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0396