Izaho no fananganan-ko velona

 

(Izaia 38, 10 - 20)

Sas :
Izaho no fananganan-ko velona :
Izay mino Ahy na maty aza, mbola ho velona,
Izay mino Ahy, mbola ho velona.

1 - Vao misasaka ve ny fiainako
Dia ho faty sahady, hoy aho !
Ka ny androko sisa rehetra
Dia ho very sy hafoiko avokoa.
2 - Tsy hahita ny Tompo intsony
Raha aty amin'ny tanin'ny velona.
Tsy hahita na iza na iza
Amin'ny mponina ambonin'ny tany.

3 - Ny fonenako indro hiongotra
Toy ny lain'ireo mpiandry ondry,
Fa ny fiainana mba notenomiko,
Hotapahina ho afaka ny haraka.
4 - Foinao aho andro aman'alina,
Mihararetra aho mandra-maraina ;
Fa sahala amy toa misy liona
Manamongo ny taolako rehetra.

5 - Mitaraina aho toa sidintsidina,
Mitoloko aho toa voromailala.
Eny viza-miandrandra ny masoko,
Tompo o, iantrao fa mijaly !
6 - Ary inona anefa no hambarako ?
Fa Ianao no nanao an'izao ;
Eny hizorako ihany ny androko
Na mangidy aza izany fiainako.

7 - Fa ny foko mitoky aminao,
Ka sitrano aho, Tompo, velomy ;
Dia hiova ho soa ny anjarako
Na mangidy aza izay efa nentiko.
8 - 'Ndeha hisaotra ny Ray tia antsika
Raha tsy Izy tsy velona isika.
Fa nomeny fandresena ny Zanany,
Dia nirahiny koa ny fanahiny.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104