Ianareo ho vahoakako

Fiv :

Ianareo ho vahoakako, izaho ho Andriamanitrareo.

 

1 - Fa halaiko avy amin'ny firenen-kafa ianareo

Sy hangoniko avy amin'ny tany rehetra

Ka haveriko ho any amin'ny taninareo.

 

2 - Ho fafazako rano madio ianareo dia hadio,

Ka ny fahalotoana aman-tsampinareo

Hofafako hiala hanadio anareo.

 

3 - Koa fo sy fanahy vaovo no homeko anareo,

Dia halako amin'ny nofonareo ny fo vato,

Ary fo nofo kosa indray no homeko.

 

4 - Ny Fanahiko Masina hataoko ao anatinareo

Hanarahanareo ny lalana nomeko,

Ary koa hitandremanareo ny fitsipiko.

 

5 - Ary eo amin'ny tany nomeko ny Razanareo

Ianareo no honina ka ho vahoakako,

Dia izaho kosa indray no Andriamanitrareo.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204