Ianao no Isaoranay, ry Ray

Fiv : Ianao no isaoranay ry Ray

Ianao no namonjy anay, Ianao ;

Victoire Rasoamanarivo anie

Hasandratrao ho reharehanay.

 

 

1 - Kristy o, midera Anao e

Kristy o, notiavinao ny tanindrazanay,

Tanterakao ny famonjena anay.

 

2 - Victoire nantsoinao e

Hiaro ny voatsinapy izay nafafinao

Hanjary hazo misandrahaka.

 

3 - Fa izy nijoro hatrany

Nijaly, nisotro ny "aleoko maty"

Toy izay hiala amin'ny finoana.

 

4 - Victoire nijaly mafy

Nitandro ny hasin'ny fanambadiana

Vavolombelon'ny fitiavana.

 

5 - Kristy o, tadidinao e

Victoire nazoto hamangy sy handray Anao

Mba hamirapiratan'ny voninahitrao.

 

6 - Victoire o, tsaroanay e

Ny soa nafafinao tamin'ny madinika

Natombokao ka hotohizanay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073