Ankavanan'Andriamanitra

1 - Ankavanan'Andriamanitra, otronin'ny anjely maro

Jesoa mipetraka any an-danitra, mpandidy izao tontolo izao.

 

Fiv : Mpanjakan'ny mpanjaka, mitsaoka Anao 'zahay :

Ny tany aman-danitra mba anjakao, Jesoa.

 

2 - Mpanjaka be fahandrianana, ilay ateraky ny Ray

Mitovy Aminy tokoa, mandrakizay, mandrakizay.

 

3 - Mpanjaka ambony fahefana, tsy mba refesi-mandidy.

Ka teniny iray ihany mahefa ny zava-drehetra.

 

4 - Mpanjaka feno fitiavana, maty ho an'ny olonao ;

Mba ho famonjenao anay, ny teninao no nentinao.

 

5 - Mpanjaka tsy mba mety maty, izay nandresy ny fasana,

Jesoa tafatsangan-ko velona amin'ny andro nofidiny.

 

6 - Mpanjakan'ny olon-drehetra, amin'ny andro fitsarana,

Izay fahavalonao aza hipararetra mahita Anao.

 

7 - Mpanjaka tsy lavitra anay, mitoetra anatin'ny Hostia,

Hamahana ny fanahina amin'ny mofon'ny Anjely.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0969