Zavatra iray loha no angatahiko amin'Iaveh

Zavatra iray loha no angatahiko main’Iaveh

Sady iriko fatratra : te – honina ao an-tranony aho

Ny andro rehetra iainako

Iaveh no fahazavako amam-mpamonjena ahy

Iaveh no mandan’ny aiko, ka zovy no angovitako

Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy

Ka zovy no angovitako

Na tafika iray aza no hitoby hiady amiko

Tsy hatahotra ny foko na rafitra aza ny ady

Na tafika iray aza no hitoby hiady amiko

Tsy hatahotra ny foko

Halofan’Iaveh aho raha misy fahoriana

Iaveh hampitoetra ahy ambony vatolampy

Halofan’Iaveh aho Iaveh hampitoetra ahy

Ambony vatolampy

Hisandratra ny lohako ambonin’ny fahavaloko

Ka hanolotra fisaorana an-tranon’Iaveh aho

Hisandratra ny lohako ka hanolotra fisaorana

An-tranon’Iaveh aho

Misaora an’Iaveh ianao matoky Azy

Mihirà sy mihobia, lehibe ny indrafony

Misaora an’Iaveh ianao matoky Azy

Lehibe ny indrafony

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0501