Tsy misy afaka hanompo tompo roa (Salamo 48A)

Sas :

Tsy misy afaka hanompo tompo roa

Dia Andriamanitra sy ny vola ;

Tsy misy afaka hanompo tompo roa

Dia Andriamanitra sy ny harena.

 

1 - Ry olon-drehetra, samia mba mihaino,

Henoy re, ry mponin'ny tany tontolo

Na olona tsotra na olona ambony,

Na manankarena na ny malahelo.

 

2 - Fa anatra soa no ambarako anao

Dia teny miloatra vy amin'ny foko :

Henoy ny hain-teny hilazako azy anao,

Valiha no hiritsoka izany aminao.

 

3 - Nahoana aho moa no hatahotra loza,

Hihevitra hoe tsy ho tafarina itnsony ;

Ireo fahavaloko mirehareha

Fa manana ka manontany ny ory.

 

4 - F'angaha misy olona mahavo-tena

Na hoe afa-mahaloa tamby amy Tompo :

Satria lafo loatra tokoa ny avotr'aina,

Tsy voavidim-bola na oviana na oviana.

 

5 - Isaory àry ilay Andriamanitra Tompo,

Ny Zanany efa nandray Fanjakana,

Fanahiny kosa hanamasina antsika :

Ho mendrika hanompo Azy marina isika.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109