Tsarovy ry Iaveh (Sal 73)

(sal 73-74)
Tsarovy , ry Iaveh, ilay fanekena
Nataonao fahiny tamin'ny vahoakanao.
1. Ry Andriamanitra ô
Nahoana no nanary anay
Ianao mandrakizay ?
2. Nahoana no mirehitra
Amin'ny ondrinao
Ny hatezeranao ?
3. Ity vahoakanao
Tsarovy fa navotanao
Ho foko lovanao.
4. Tsarovy ry Iaveh,
Siôna tendrombohitrao
Izay fonenanao.
5. Ka aza hadinoina
Ny ain'ireo mahantranao
Ho mandrakizay.
6. Nahoana ry Iaveh
No atosikao lalandava
Izahay olonao ?
7. Ka voninahitra
Ho an'ny Ray tsitoha
Izay nahary antsika.
8. Ho an'ilay Zanaka
Sy ny Fanahy Masina
Ho mandrakizay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0624