1 - Tsara raha ny mpirahalahy
No mahay mifankatia tokoa :
Manana firaisana am-panahy
Fa hosoavin'Andriamanitra.
Fiv :
Tahaka ny diloilo tsara
'Zay narotsaky ny lantira
Ka araho izany, mahavara
Fa hosoavin'Andriamanitra.
2 - Tsara raha ny mpiray tanĂ na
No mahay mifandray tokoa :
Manana firaisana am-panahy
Fa hosoavin'Andriamanitra.
3 - Tsara raha ny olon-drehetra
No mahay mifanao soa :
Manana firaisana am-panahy
Fa hosoavin'Andriamanitra.