Sambatra izay noana

Sambatra izay noana

Sambatra izay mangetaheta

Ny fahamarinan’Andriamanitra

Fa homen’i Kristy azy izany

 

Mova tsy serfa ‘zay lian-doharano

Ny foko efa liana ny Tompoko

Mangetaheta ny Tompo ny foko

Dia ilay Andriamanitra velona

Mba rahoviana aho re no handroso

Hiseho anoloan’Andriamanitra

Zary sakafoko ny ranomaso

Indrisy isan’andro isan’alina

 

Zao no mba resaka henoko hatrany

Mba zovy hono re no Andriamanitro

Ory ny foko mandevy ato anaty

Raha vao mahatsiaaro ny lasana

Zany aho fahiny raha niakatra an-drova

Hihaona amin’ny Tompo Andriamanitra

Ndrey ny hafaliako eo anivom-bahoaka

Handredona hira fisaorana

 

Aoka ry foko aoka izay ny toloko

Ny sento avelao ry fanahiko

Zaho manko mbola hidera azy Tompo

Fa vonjy Izy sady Andriamanitro

Ory ny foko mandevy ao anaty

Satria mahatsiaro ny Tompoko

Zaho manko aty Joridany sy Hermona

Am-poto-kavoana tsy fantatra

 

Varara kotroka ora-mikija

Na rano ao an-driana midoboka

Onja mahery misamboaravoara

Indray nifandafatra tamiko

Andro ny Tompo maneho ny indrafony

Mihira Azy kosa aho ny alina

Zao no mba vavaka ataoko amin’ny Tompo

Endrey ry Andriamanitra tokiko

 

Fa dia nahoana aho re no hadinouna

Ka lavin’ireo fahavaloko

Toro ny taolana zaho koa voalatsa

Mba zovy hono re no Andriamanitro

Aoka ry foko aoka izay ny toloko

Ny sento avelao ry fanahiko

Zaho manko mbola hidera azy Tompo

Fa vonjy Izy sady Andriamanitro

 

Nty aho hidera ny Tompo tsy foiko

Hisaotra ny Raiko any an-danitra

Zanany no efa nitondra ahy mba hody

Higoka ny tena hasambarany

Mba rahoviana aho re no handroso

Hiseho anoloan’Andriamanitra

Zary sakafoko ny ranomaso

Indrisy isan’andro isan’alina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776