Salamo 99 : Nanao antsika ho mpisorona

Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy,

koandeha hasandratsika ny feon'ny voaary tontolo

ho fiderana ny Ray.

 

1- Hobio Izy Tompo ry tany tontolo

ka fo falifaly anompoana ny Tompo

2- Tongava eo Aminy mihira miravo ;

ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra !

 

3- Fa Azy isika satria noariny

sy tena vahoakany, ondry fiandriny,

4- Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,

ny ao an-kianjany idiro amin-dera,

 

5- Dereo izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,

6- fa mandrakizay ny fitiavany antsika,

am'taona rehetra ny fahamarinany.

 

7- Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,

hihoby 'Lay zanany ombam-pahefana,

8- Derao ny fanahy manamasina antsika,

manentana antsika hihoby ny Tompo.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127