Salamo 131 : Miakara amy toerana ambony dia ambony

1- Miakara amy toerana ambony dia ambony

Ianao 'zay mitory Vaovao Mahafaly,

'Lay hafatra soa ho an'ireo ao SiƓna ;

Ataovy antso avo ho renesim-bahoaka

Ianao 'lay mpitory Vaovao Mahafaly

'Lay hafatra soa ho an'i Jerosalema.

 

2- Esory ny tahotra, akaro ny feo,

Lazao my vohitra ao Joda hoe :

indro fa tonga ny Tompo Nahary,

'Lay Tompo Mahery Andriamanitrareo.

Ny herin'ny sandriny ampinga hadreseny

ho enti-manangana ilay fanjakany.

 

3- Ireo valisoany dia manaraka azy,

ny sandan'ilay fandreseny anoloany.

Tahaka ny mpiandry miandry izay miandry ny ondriny :

angoniny ireo zanak'ondry rehetra,

trotroiny izay kely sy mbola minono,

ireo reniondry roahiny mora.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0652