Raha tsy miaritra (Salamo 114)

Sas :

Raha tsy miaritra ny fahoriana isika,

Dia tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra.

 

1 - Tiako ny Tompo satria

Nihaino ny antsoko nihanta Taminy !

Tiako ny Tompo satria

Tsy mba nanentsin-tadîny

Tamin'ny andro rehetra niantsoako ny vonjiny,

Tiako ê ny Tompo.

 

2 - Saron'ny haizina ny aiko,

Latsaka am-bovon'ny fahafatesana !

Tojo an'ireo fahoriana,

Velona ny tebiteby :

Indro aho nitady ny Tompo niantso ny Anarany,

Tiako ê ny Tompo.

 

3 - Tompo ô, vonjeo re 'ty zaho !

Ny Tompo miantra sy tena marina :

Izy mangoraka antsika,

Aron'ireo olon-tsotra :

Fony aho nalemy dia indro fa nohatanjahiny.

Tiako ê ny Tompo.

 

4 - Aoka hatoky, ry Aiko,

F'ianao tian'ny Tompo ka he hasoaviny !

Izy manafaka anao, velona tsy mba ho faty :

Tsy mba tomany na mifendrofendro ny masoko,

Tiako ê ny Tompo.

 

5 - Entiny aho mba hamindra,

Tsy ho tafitohina eo anatrehany,

Roso fa velona indray ! Tiako Andriamanitra Raiko :

Zanany namonjy ahy, nanome ny Fanahiny,

Tiako ê ny Tompo.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0399