Raha misy olona nanota (Salamo 50)

 

 

Sas :

Raha misy olona nanota,
Manana mpisolo vava ao amin'ny Ray isika :
Dia i Jesoa Kristy, ilay marina.

 

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra o,
Fa Ianao manko lalim-pitiavana

Mba koseho re ny heloka vitako.
Dia diovy aho hiala amin'ny otako !

Efa niaika hadisoana ny tenako,
Eo imasoko hatrany ny otako.

Taminao aho no diso, Andriamanitra o
Fantatrao avokoa ny kilemako !

'Zay lazainao tokoa no hany marina
Raha mitsara ianao ara-drariny.

Fa tanaty heloka aho re no teraka
Tamin'ny ota aho no notoritoronina.

Izay marina anaty no marina,
Ka toronao mangina aho ry Tompoko.

Ary fafazo ra aho ho sitrana
Hihoatra ny oram-panala ny dioko.

Ampiravoravoy ny fanahiko
Sy ny taolako voamontsamontsana.

Mba esory eo imaso ny otako,
Dia koseho tsy ho hita ny heloko !

Fo madio vaovao no angatahiko
Sy fanahy mahatoky tanteraka.

Aza alana aminao aho, ry Tompoko,
Ny Fanahy aza esorinao amiko.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464