Nony nisasaka ny alina (Salamo 44B )

                       Salamo 44B

Fiv: Nony nisasaka ny alina, dia nisy nilaza hoe:
       " Ity tamy ny mpampakatra, ka mitsangana re   
       Eny mandehana e mitsena an'i Kristy e
       Eny mandehana ka tsenao Kristy ( Mt 25,6 )

1. Zavavy ô, ny sofina atongilano,
    Ilaozy ny ray aman-dreninao
    Ho tian'ny Mpanjaka ny bikanao.

2. Andeha re mitsaoka ny Tomponao!
    'Reo manan-karena amin'ny vahoaka
     Mitondra fanatitra ho sitrakao.

3. 'Lay zanakavavin' Andriamanjaka
     Jereo fa miravaka volamena,
     Mianjaika manantona ny Mpanjaka.

4. Indreny milahatra falifaly,
    Mandroso ao an-dapan'Andriamanjaka
    Ireo tovovavy mpanotrona azy.

5. Ho maro e ny fara sy dimbinao
    Mba hamelomaso ny razanao
    Hanjaka eran-tany tontolo ireo!

6.Izaho kosa hiventy ny anaranao
   Ho ren'ny taranaka mifandimby:
   Hidera azy hatrany ny firenena.

7. Isaory ny Tompo nifidy antsika
    Fa ny zanany no efa niantsoany antsika,
    Handray ny Fanahy hampanjaka antsika.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735