Nirahina hitory vaovao mahafaly (Salamo 71A)

Sas :

Nirahina hitory vaovao mahafaly i Kristy,

Hitory vaovao mahafaly amin'ny malahelo.

 

 

1 - Andriamanitry ny fahamarinana รด,

Mba tolory ny andriana mpanapaka

Sy ny zanak'andriana ho dimbiny

Ny fahaiza-mitsara ara-drariny !

 

2 - Ka ny vohitra hitrotro fiadanana

Ny havoana hivimbina ny hitsiny

Ny mahantra sy ny ory hotsimbininy

Ny mpamoritra kosa hofongorana.

 

3 - Aoka haharitra ny fanapahany

Ka ho toy ny masoandro amam-bolana ;

Dia hanahaka ny ando amy vilona,

Sy ny orana an-tany efa lonaka.

 

4 - Eny isaorana Ianao Andriamanitra,

Zanakao no nitondra fiadanana ,

Fa manjaka aminay am-pitiavana,

Manamarina anay ny Fanahiny.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106