Manantena Anao ny Fanahiko (Salamo 24)

Fiv :

Manantena Anao ny fanahiko, ry Iaveh

Misandratra Aminao.

 

1 - I Iaveh no mitarika ahy : tsy ho azon-kenatra aho.

Tsy ho menatra izay mino Azy, 'zay mandao no menatra.

 

2 - Andriamanitra, Ianao no Mpamonjy, isan'andro andrasako.

Mba tsarovy 'lay fitiavanao, fa fitia mandrakizay.

 

3 - Ny nandaozako Anao fahazaza, Tompo ô, ifonako.

Tsara fo sady marina Ianao : raiso re 'ty ondry nania.

 

4 - Ny madinika sy ny mahantra, hotoroany lalana.

Fa ny lalan'ny Tompo dia vonjy ho an'izay manaraka Azy.

 

5 - Tompo ô, noho ny Anaranao, avelao ny otako.

Mba todiho ka raiso aho, manirery lavitra Anao.

 

6 - Fahavalo tsy tambo isaina no mikendry hisompatra ahy.

Ianao no mandan'ny aiko, Tompo ô, matoky aho.

 

7 - Voninahitra anie ho an'ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy.

Toy ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay doria.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0564