Manantena Anao ny fanahiko ry Iaveh (Sal 24)

Manantena Anao ny fanahiko ry Iaveh misandratra Aminao

 

Iaveh no mitarika ahy: tsy hoazon-kenatra aho

Tsy homenatra izay mino Azy, 'zay mandao no menatra

 

Andriamanitra, Ianao no mpamony, isan'andro andrasako

Mba tsarovy 'lay fitiavanao, fa fitia mandrakizay.

 

Ny nandaozako Anao fahazaza, Tompo ô ifonako

Tsara fo sady marina Ianao, raiso re ty ondry nania

 

Ny madinika sy ny mahantra, hotoroany lalana

Fa ny lalan'ny Topo dia vonjy ho an'izay manakaka azy/

 

Tmpo ô, noho ny Anaranao, avelao ny otako

Mba todiho ka raiso aho, manirery lavitra Anao

 

Fahavalo tsy tambo isaina no mikendry hisompatra ahy

Ianao no mandan'ny aiko, Tompo o, matoky aho.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103