Manantena Anao ny fanahiko ry Iaveh

Manantena Anao ny fanahiko ry Iaveh

Misandratra aminao

Iaveh no mitarika ahy : tsy ho azon-kenatra aho

Tsy ho menatra izay mino azy, izay manao no menatra

 

Andriamanitra Ianao no mpamonjy isan’andro andrasako

Mba tsarovy ‘lay fitiavanao, fa fitia mandrakizay

 

Ny nandaozako Anao fahazaza, Tompo ô ifonako

Tsara fo sady marina Ianao raiso re ty ondry nania

 

Ny madinika sy ny mahantra, hotoroany lalana

Fa ny lalan’ny Tompo dia vonjy hoan’izay manaraka azy

 

Tompo ô noho ny anaranao, avelao ny otako

Mba todiho ka raiso aho, manirery lavitra Anao

 

Fahavalo tsy tambo isaina no mikendry hisompatra ahy

Ianao mandan’ny aiko, Tompo ô matoky aho

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0676