Mahatehotia (Salamo 83)

Mahatehotia, mahasondriana
'zany tranonao, ry Iaveh
1. Onena endrey ny fanahiko
Misento lalina ny kianjanao, ry Tompo :
Mientana aminao
Ny foko sy ny nofoko.
2. Ny fody mahita fonenana,
Ny sidintsindina mahita izay akany :
Endrey ny ôtelinao,
Hay fonenanao, ô ry Tompo.
3. Sambatra izay monina ao,
Dia sambatra tokoa midera anao, ry Tompo
Dia sambatra izy ireo,
fa heriny ianao, Andriamanitra ô.
4. Ilay lohasaha karakaina
No indro, Tompo ô, fa nisy loharano :
Ka nankahery anay,
Tsodrano fanambinana re !
5. Nandroso izahay ka niakatra,
Dia tody soa aman-tsara eto anatrehanao :
Mivavaka aminao,
Ka mandrenesa ianao, Andriamanitra ô.
6. Ry Tompo andriamanitr'i Israely,
Henoy fa miantso anao ilay vahoakanao :
Ilay voahosotrao
Tazano fa miandrandra anao.
7. Aleo andro iray, Andriamanitra ô,
Aty an-tranonao, ho eto akaikinao ;
Toy izay arivo taona
Miaraka amin'ny olon-dratsy.
8. Ampinga sy manda ny Ray anie,
Ka reharehanay ilay nanao ny aina :
Mba sambatra tokoa
Izay matoky anao, Andriamanitra ô.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0565