Mahagaga ny Fitiavanao (Salamo 92)

Fiv:

Mahagaga ny fitiavanao, ry Andriamanitra Ray,

Fa hamonjy ny mpanomponao no nanirahanao ny Zanakao,

Mahagaga ny fitiavanao.

 

1 - Andriana manjaka Ianao, ry Tompo

Mitafy hery tsy hay tohaina ;

Ny zava-drehetra harin-tananao

Tomombana fatratra, tsy mivena.

 

2 - Mirafitra mafy ny rovanao

Fa manda miorina tsy mikoro ;

Hatrany am-boalohany teo Ianao

Ho mandrakizay re tsy hanam-petra.

 

3 - Ny ony, ry Tompo, manamdra-peo

Mandefa ny onjany hiraondraona ;

Midoboka mafy ny feon-driaka,

Manoatra an'ireny Ianao Tomponay.

 

4 - 'Reo teny rehetra voalazanao

E lalina, marina, tsy mivoana ;

Ny fahamasinana feno haja

Manerana izany fonenanao.

 

5 - Isaory ny Ray Loharanon'Aina,

Ny Zanany tokana izay mpandova

Natolony antsika ny Fanjakany

Satria ny Fanahiny momba antsika.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101