Izay mamboly (Sal 126)

Izay mamboly sy izay manondraka dia tsinontsinona avokoa,

satria ny Tompo ihany no mampitsimoka ny voa (1Kor 3, 7)

 

1- Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano

zary miasa foana 'zay manorina azy ireny,

raha tsy ny Tompo no miaro ny tanàna,

zary miandry foana ny mpiambina mitily.

 

2- Eny sasa-poana ianareo miari-tory,

taitra vao maraina nefa zara raha mba voky.

Hafa ny olon-tiana fa matory tsy manahy ;

mbol'eo am-pandriana dia tolorany sakafo

 

3- Indro koa ny zanaka fa lova avy amy Tompo

valisoa tokoa anie 'reo menaky ny aina !

Hery ny tsipîka eny an-tanana mpiady,

hery koa ny zanaky ny fahatanorana !

 

4- Sambatra 'zay nameno kotra tam'ireny,

sambatra satria mahazo toky fa handresy !

Tsy hitsanga-mentra raha misy fahavalo,

hiharihary marina tokoa ny fandreseny !

 

5- Saotra no atolotra ny Ray miahy antsika,

dera ho an'ny Zanaka 'zay eo anivontsika !

Ary ny Fanahy 'zay itsofandrano antsika,

aoka ho deraina amin'ny asa vitantsika.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312