Izao no hiseho (Salamo 95)

Sas :
Izao no hiseho rehefa any am-parany any :
Horesen'i Kristy ny hery rehetra
Ka hatolony an-dRainy ny fanjakana.

 

 

1 - Ikaloy 'reo hira vaovao
Ho an'ny Tomponao, ry manan'aina,
Ny fisaorana aoka hanakoako !
Isan'andro vaky dia torio,
'Tony vonjy nentiny lazao,
Mba hande daholo ny eran-tany !

2 - Fa ny Tompo ihany no ambony,
Mahatahotra Izy noh'ny hafa
Ka variana ery ny firenena !
Tsinontsinona avokoa, rey lahy,
Ny andriamani-kafa tsy miteny
F'Izy irery no masi-mandidy !

3 - N'habakaba-manga dia nataony
Ka ny lapa masiny tazano
Fa mitemitra 'lay fahefany !
Ka omeo ny Tompo, rey vahoaka,
'Tony hasina sy fahefana
Mbamy 'reo anaram-panajana !

4 - Ny fanatitrao 'ndeha atolory
Ka ny Tompo masina iankohofy
Fa ny tavany e dia mahajemby !
Ny tontolo aoka hihararetra
Fa hilaza dinika ny Tompo
Ho toriny amy firenena !

5 - He ny Tompo irery no Mpanjaka
'Tony tany : vitany mijoro,
'Zany rariny entiny mitsara !
Mifalia, ry lanitra sy tany,
Aoka hidobodoboka ny riaka
Ka hifaliavanja 'zany saha !

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095