Izao no ahafantarantsika ny tena fitiavana (Salamo 84)

Sas :

Izao no ahafantarantsika ê ny tena fitiavana :

I Jesoa Tompo nahafoy ny Ainy hanavotra antsika,

I Jesoa Tompo.

 

1 - Tsimbino, ry Tompo, ity taninao,

Ny babon'i Jakôba re ampodio ;

Esory ny helok'ireo olonao dia sarony ny otany.

 

2 - Ianao aza tezitra intsony aminay,

Ny fonao vinitra re aoka izay !

Ianao no Mpamonjy ka ento mba hody 'zahay, Andriamanitra.

 

3 - Toneo ny hatezerana raha sitrakao,

Ho tezitra mandrakizay ve Ianao ?

Ho vinitra lava mandritra ny taona rehetra hifanaraka ?

 

4 - Tsy hamelombelona anay va Ianao ?

Mba satry tokoa hiravo Aminao :

Ianao tsara fo misehoa mba ho vonjy, ry Tompo Andriamanitra.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116