Sas. 1 : Isika no tempolin’Andriamanitra Ary monina ao amintsika ny Fanahy, Fanahin’Andriamanitra
Sas. 2 : Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany
Sas.3 : Rehefa tonga ny fotoana dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany
Nateraky ny Virjiny
Isaorana indrindra Ianao
Ry Tompo Andriamanitry ny razana
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay
Isaorana ny Anaranao
Fa masina be voninahitra
Ka mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay
Isaorana indrindra Ianao
An-tempoly be voninahitra
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay
Isaorana indrindra Ianao
Ambony fiketraham-panjaka
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay
Isaorana indrindra Ianao
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay
Isaorana indrindra Ianao
Mipetraka ambony kerôbima
Fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay
Isaorana indrindra Ianao
Manerana tany aman-danitra
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay