Iaveh ô, na aiza na aiza (Salamo 138)

Sas :

Iaveh ô, na aiza na aiza no alehako,

Ianao ihany no mitantana ny diako :

Iaveh ô, fantatrao 'zany toetrako,

Iaveh ô, fantatrao ny ao am-poko.

 

1 - Raha noharinao, ry Iaveh, 'zany tenako

Ka mbola niafina tsy nisy endrika aho,

Ny tendrinao no nanondro ny hiainako,

Ny sitrakao no namaritra ny androko.

 

2 - Raha vao nitsiry ny saiko te-hamantatra,

'Reo zava-boaary niseho hanintona ahy ;

Ny teny koa mbola tsy mby ao am-bavako

Dia tsinjonao, fantatrao ny eritreritro.

 

3 - Raha hanalavitra Anao ny kasaiko

Ka handosirako ny Endrikao, ry Iaveh ;

Tsy ho fantatrao ve, ry Iaveh, izay halehako ;

Ianao, ry Iaveh, no mitsinjo ny lalako.

 

4 - Hilaza aho hoe : Hanarona ahy ny haizina,

Fahazavana hanodidina ahy ny alina.

Tsy maizina ho Anao na haizina aza,

Hazavana mamiratra ny alina.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098